Nankalazaina taty Alemana tamin’ny alakamisy 26 Jona 2025 tamin’ny fomba tsotra nefa miavaka ny faha 65 taona namerenana ny fahaleovantenan’i Madagasikara.
Niarahan’ny Masoivohon’i Madagasikara aty Alemana nisalahy tamin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FIMPIMA) Sampana Alemana, izany Asaramanitra izany.
Tamin’io andro io dia nasandratra avo ilay tenin-drenintsika ka natao tamin’ny alalan’ny Kabary izany rehetra izany. Ny Kabary izay efa lasa vakoka iraisam-pirenena tamin’ny volana Desambra 2021.
Izay tia ny tenin-drazany tokoa moa dia tia ny tanindrazany ary ny fitiava-tanindrazana dia mitarika fandrosoana.
Ankasitrahana feno ireo Malagasy rehetra nanohana sy tonga nanotrona io andro lehibe manan-tantara io.
