Contact: +49 152 373 023 14  – Konsularische Registrierung madagassischer Staatsangehöriger ist jetzt online hier

Niara-nientana ireo mpiasan ‘ny Masoivoho malagasy eto Alemaina tamin’ny tanamaro nanadiovana ny tanàna ny asabotsy 04 mey 2019, taratr’izay ataon’ny Ministera mpiahy dia ny Ministeran ‘ny Raharahambahiny sy ny Governemanta amin’ny ankapobeny.

Asa efa fanao, ary tsy voalohany izao fa nanomboka ny volana mey 2016 dia efa nifandrimbona nanadio ny Masoivoho ireo mpiasa rehetra, notarihin-dRamatoa mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana, ankoatry ny fanadiovana mahazatra. Ny toetsaina manentana dia ny fanaovana izay tandrify tokony ho vita. Asan’ny Masoivoho rahateo ny mampahafantatra ny lafiny tsara mampirehareha ny Firenena ka laharam-pahamehana amin’izany ny fanomezana endrika mahatehotia ny Masoivoho.

Nohararaotina koa izany hanamafisana ny fihavanana tamin’ny alalan’ny fifampizarana ny manta sy ny masaka. Samia mahavità be araka izay tandrify fa ezaka mitohy izy ity!