Lohahevitra telo no navohitra nandritra ny lanonana:
• Ny fankalazana ny Iray volan´ny teny malagasy
• Ny fankalazana ny faha 65 taonan´ny niverenan´ny fahaleovantena
• Ny fanandratana ny kabary sy ny kolontsaina maha Malagasy
Fa lanonana nentina hamaranana ihany koa ny taom-pianarana kabary sy fianarana teny malagasy eo anivon´ny FI.MA.MI.SOA.. Ny Andia TSARAJORO no andian´ny mpikabary navoakan´ny FI.MA.MI.SOA. tamin´ity taona voalohany niorenany ity.
Misy ampolony vitsivitsy kosa ny mpianatra teny malagasy, ankizy sy lehibe ary misy amin´izy ireo no teratany Eorôpeana, naneho ny fahalalany ny teny malagasy ka nahatalanjona ireo mpanatrika lanonana tamin´ny fiantsana kalon´ny fahiny, sy ny hira tatý aoriana, toy ny hiran´ny tarika Tsiakoraka hoe “Namana”.
Ankoatra ny fiantsana kabary samihafa nandritra ny fotoana niaraha-nifaly dia teo koa ny fifampizarana tantara fohy toy ny momba ny niadian´ireo Zoky Raiamandreny ho amin´ny hiverenan´ny fahaleovantenan´I Madagasikara, nentina hanomezan-danja lehibe ny nanaovana ny ainy tsy ho zavatra.
Teo andaniny koa ny fiantsana tononkalo, toy ny hoe “Dia afaka ilay tanindrazako” sy ny hoe “Kivarivary”, tononkalo nantsaina taloha kelin´ny fiaraha-misakafo, nentina hampitana fohy momba ireo lalao malagasy fahizay. Avy eo nifampizara sakafo malagasy tamin´ny vahiny tonga nanotrona, toy ny hen´omby ritra sy akoho miaraka amin´ny voanio.
Nilalao tantara fohy an-dampihazo nitondra ny lohateny hoe: “Hatraiza moa ny fihavanana” ihany koa ireo mpikambana. Ivon´ny kolontsaintsika Malagasy moa io fihavanana io. Ary nohirain´ny mpikambana tao ny hoe “Na dia somparana aza ny fihavanana, tsy havela hadilana”.
Farany fa tsy latsa-danja, isan´ny nanafana ny lanonana ny fahaizan´ny mpitondra teny, iray amin´ireo navoaka ho mpikabary ihany, nanentana tamin-kabary sy lahateny mendrika, nahatonga ny vahiny hiara-hitehaka, hitsiky, handihy miaraka amin´ireo
tompon-danonana. Ka tsiky sy hehy no nandravaka ny endriky ny rehetra.
Isaoranay eram-po ny ao amin´ny Masoivoho tamin´ny fiaraha-miasa sy fanomezana sehatra ny fikambanana FI.MA.MI.SOA. ho amin´ny fanandratana avo ny kolonaintsika Malagasy.
Mandra-pihaona amin´ny manaraka indray, e