Konsularische Registrierung madagassischer Staatsangehöriger ist jetzt online hier
Konsularische Registrierung madagassischer Staatsangehöriger ist jetzt online hier
Konsularische Registrierung madagassischer Staatsangehöriger ist jetzt online hier

Lohahevitra telo no navohitra nandritra ny lanonana:
• Ny fankalazana ny Iray volan´ny teny malagasy
• Ny fankalazana ny faha 65 taonan´ny niverenan´ny fahaleovantena
• Ny fanandratana ny kabary sy ny kolontsaina maha Malagasy

Fa lanonana nentina hamaranana ihany koa ny taom-pianarana kabary sy fianarana teny malagasy eo anivon´ny FI.MA.MI.SOA.. Ny Andia TSARAJORO no andian´ny mpikabary navoakan´ny FI.MA.MI.SOA. tamin´ity taona voalohany niorenany ity.

Misy ampolony vitsivitsy kosa ny mpianatra teny malagasy, ankizy sy lehibe ary misy amin´izy ireo no teratany Eorôpeana, naneho ny fahalalany ny teny malagasy ka nahatalanjona ireo mpanatrika lanonana tamin´ny fiantsana kalon´ny fahiny, sy ny hira tatý aoriana, toy ny hiran´ny tarika Tsiakoraka hoe “Namana”.

Ankoatra ny fiantsana kabary samihafa nandritra ny fotoana niaraha-nifaly dia teo koa ny fifampizarana tantara fohy toy ny momba ny niadian´ireo Zoky Raiamandreny ho amin´ny hiverenan´ny fahaleovantenan´I Madagasikara, nentina hanomezan-danja lehibe ny nanaovana ny ainy tsy ho zavatra.

Teo andaniny koa ny fiantsana tononkalo, toy ny hoe “Dia afaka ilay tanindrazako” sy ny hoe “Kivarivary”, tononkalo nantsaina taloha kelin´ny fiaraha-misakafo, nentina hampitana fohy momba ireo lalao malagasy fahizay. Avy eo nifampizara sakafo malagasy tamin´ny vahiny tonga nanotrona, toy ny hen´omby ritra sy akoho miaraka amin´ny voanio.

Nilalao tantara fohy an-dampihazo nitondra ny lohateny hoe: “Hatraiza moa ny fihavanana” ihany koa ireo mpikambana. Ivon´ny kolontsaintsika Malagasy moa io fihavanana io. Ary nohirain´ny mpikambana tao ny hoe “Na dia somparana aza ny fihavanana, tsy havela hadilana”.

Farany fa tsy latsa-danja, isan´ny nanafana ny lanonana ny fahaizan´ny mpitondra teny, iray amin´ireo navoaka ho mpikabary ihany, nanentana tamin-kabary sy lahateny mendrika, nahatonga ny vahiny hiara-hitehaka, hitsiky, handihy miaraka amin´ireo
tompon-danonana. Ka tsiky sy hehy no nandravaka ny endriky ny rehetra.

Isaoranay eram-po ny ao amin´ny Masoivoho tamin´ny fiaraha-miasa sy fanomezana sehatra ny fikambanana FI.MA.MI.SOA. ho amin´ny fanandratana avo ny kolonaintsika Malagasy.

Mandra-pihaona amin´ny manaraka indray, e