Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

Vaninandro lehibe tokoa ny fahatsiarovana ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’I Madagasikara ka tsy azo navela handalo fotsiny. Tsy hay araka izany ny tsy nisaotra an’Andriamanitra sy nitondra am-bavaka ny Firenena, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra diavin’ny rehetra izao, na dia teo ary ny tsy tena fahafahana manao Fety fankalazàna sahaza izany, sy ny tsy fahafahana mifampikasokasoka.

Ny Masoivoho araka izany dia nanasa amim-pitiavana ny Malagasy am-pielezana amin’ny Faripiadidiana, ireo tapaka sy namana, Solontenan’ny Masoivoho sy ireo mpiaramiombonantoka tamin’ny Fotoam-pivavahana izay nato ny 26 jona 2020 tamin’ny 4 ora tolakandro tao amin’ny St. Clemens Kirche Berlin.

Azo lazaina ho nisokatra ihany koa ny fandraisana anjara, ho an’ireo izay mpitsidika ity Fiangonana ity, izay marihina fa manandra-bavaka andro aman’alina ho an’ny rehetra.

Voahaja ny fepetra ara-pahasalamana tokony ho nontandrovana, ary dia manantitra etoana ny fisaorana ho an’ireo izany nanoina ny antso, solontena ho an’ny rehetra.

Farany, amin’izao fotoana mampihanaka ny aretina covid 19 any Madagasikara izao, dia raisina antanadroa tokoa ny fanohanana ireo marary sy ireo mpiasan’ny fahasalamana.

Mampita ny fisaorana mialoha eto sahady.

”  L’Ambassade de Madagascar en Allemagne a organisé un culte à l’occasion du 60ème anniversaire du retour de l’indépendance, auquel ont été cordialement invités les membres de la diaspora, les amis de Madagascar, les représentants des autres Ambassades et les partenaires.

La composition « internationale » des participants à ce culte le 26 juin, à 16heures à l’Eglise Saint Clemens Berlin témoigne de l’ouverture du pays et de l’attachement envers la Grande Île.  Les visiteurs réguliers de l’Eglise, ouverte jour et nuit, consacrant des prières pour le monde, y ont également participé.

En ces temps difficiles, le soutien aux malades du covid 19 et au personnel soignant à Madagascar, pour sauver des vies, est bienvenu.

Soyez en d’ores et déjà remerciés.”