Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

“Miarahaba ny Malagasy am-pielezana rehetra monina amin’ireo fari-piadidian’ny Masoivohon’ny Repoblikan’Madagasikara aty Alemana,
Amin’ny hafaliana lehibe no anasan’ny Masoivoho antsika rehetra hiara hankalaza ny faha 65 taona niverenan’ny fahaleovantenany i Madagasikara aty Falkensee amin’ny faha 26 Jona 2025 manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Koa satria ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrososoa ary izay tia ny tenin-drazany, tia ny tanindrazany, dia ndao ary isika amin’ny ity taona ity hiara hankalaza ny fetin’ny fahaleovantenantsika amin’ny fanomezan-danja manokana ny tenindrenintsika. Izany dia irahan’ny Masoivoho misalahy amin’ny fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FIMPIMA) aty Alemana.
Mirary ny fahatongavantsika rehetra marobe.
Ny fisoratana anarana dia atao amin’ny alalan’ity rohy manaraka ity hatramin’ny 20 Jona 2025:
Tongava maro fa aleo tokoa manatrika toy izay hitantarana.”