Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

Ny Fikambanana SAKAIZA eto Aotrisy dia manomana hetsika “Rallye” eto Vienne izay anasana ireo mpandray anjara hitety toerana vitsivitsy manerana ny tanànan’ny Vienne amin’ny asabotsy 14 Aogositra 2021 ho avy izao, manomboka amin’ny 2ora tolak’andro ka hatramin’ny 6ora hariva. Misy loka betsaka hatolotra amin’izany. Ny vola azo amin’izany dia hoentina hividianana fitaovana fiarovana amin’ny areti-mifindra COVID 19 ho an’ireo dokotera sy mpiasan’ny fahasalamana any Madagasikara. Ity lahatsary ity dia ahitana fanazavana bebe kokoa momba an’io hetsika io koa dia manasa anao hijery izany. Manasa an’ny tsirairay ny fikambanana handray anjara ary ny imailaka ahafahana mifandray aminy dia: sakaizamalagasyverein@gmail.com