Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

Tamin’ny fomba tsotra, feno firahalahiana sy fifampizaràna ny manta sy ny masaka no nanasàn-dRamatoa Mpiandraikidraharaha Mpisolo toerana ireo mpiara-miasa sy ny ankohonana izay afaka, tamin’ny fifampiarahabàna Tratry ny Taona, ny 10 janoary 2020.

Isaorana eram-po eran-tsaina ireo mpiara-miasa teo aloha, nahatontosa ny iraka nampanaovin’ny Fanjakàna Malagasy azy ireo teto amin’ny Masoivoho.

Ankaherezina ihany koa ireo vaovao, hanefa amin-jotompo, sy amim-pahamendrehana ary amim-panajàna ny Lalànan’ny asa sy ny Antanantohatra, izay asa miandry.

Ny fifampiarahabàna tratry ny Taona iarahana amin’ny Malagasy eto Berlin sy izay tratra antso, izay isaorana ny Fikambanana MSD e.V, izay hatao ny asabotsy 18 janoary, no ifankahalalàna misimisy kokoa.

Mamerina ny firariantsoa sy fahombiazana ary fiaraha-miasa matotra amin’ity Taona vaovao 2020 ity.