Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

Ankatoky ny fankalazàna ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena isika ary samy mahatsiaro sy misaotra ireo nanao ny ainy tsy ho zavatra niady ho an’ny Tanindrazana nahatongavana tamin’izany.

Mifandraika amin’ny Didimpanjakàna noraisina tamin’ny Filankevitry ny Minisitra ny 30 mey 2020 manalava ny hamehana ara-pahasalamana ka handraisana fepetra manokana sy ho fiarovana amin’ny fihanaky ny covid 19, dia nanome toromarika ny Ministeran’ny Raharahambahiny – Laharana 20 -558 AE/SG/DP/RP ny 12 jona 2020, fa foanana avokoa ny fety sy ny fankalazàna amin’ny endriny rehetra manodidina ny 26 jona.  

Entina hanamarihana izany, ho antsika eto amin’ny Faripiadidiana eto amin’ny Masoivoho Malagasy eto Alemaina, dia nanao ezaka manokana hamoahana “cartes consulaires” amin’ny endriny tsaratsara sy mora entina kokoa. Tsy mbola lavorary araka ny fetra ara-teknôlôjika misy ankehitriny, fa hatreo aloha no dingana vita. Mandeha tsikelikely satria voafetra koa ny ho enti-manana.

Haseho antsika eto ny specimen, ireo efa aty amin’ny Masoivoho ny antontantaratasy mahakasika izany dia efa izay no hivoaka, ary ho an’ireo efa manana taloha, dia afaka manao fangatahana hanavao izany amin’ny endriny vaovao.

Ho hitantsika ato amin’ny tranokalampifandraisana, amin’ny rohy tandrify an’izany ihany ny antsipiriany.

Mirary soa ho antsika rehetra.

Ramatoa Mpiandraikidraharaha mpisolo toerana