Contact: +49 152 373 023 14  – Konsularische Registrierung madagassischer Staatsangehöriger ist jetzt online hier

Miombona alahelo amin’ny fianakaviana manontolo, ny havana ny namana sy ny tapaka rehetra Ramatoa Rafaramalala Ratsimba Florence Isabelle sy ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Masoivoho malagasy eto Alemaina nohon’ny nahalasanan’Itompokolahy Riri, Zokibe toa Ray.

Marihina fa nanao ny taotrano sy nanangana ny Masoivoho sy ny Trano fonenan’ny mpitantana izany Masoivoho izany, araka ny taotrano hahafantarana an’i Madagasikara.
Very andry niankinana ary toro vato nandiavana tokoa isika rehetra.

Misokatra eto amin’ny Masoivoho manomboka ny 26 aogositra ny boky hahatsiarovana azy (livre de condoléances).

Maniry fiononana feno ho an-dRamatoa vadiny, ny fianakaviana sy ny iray vatsy manontolo.

Mandria amim-piadanana Zokibe Riri.

Rafaramalala ép. Ratsimba Florence Isabelle
Chargé d’Affaires a.i de la République de Madagascar