Amin’alahelo lehibe no ilazanay aminareo havana aman- tsakaiza sy amintsika Malagasy rehetra fa:
Ny Dr. Joachim Enßlin dia nantsoin’ny Ray hody any Aminy ny 16 Aprily 2021 rehefa nivahiny 78 taona teto an- tany.
Dr. Enßlin dia teraka tao Munich ny 19 Janoary 1943.
Ben’ny tananan’i Eching izy nandritry ny 20 taona ,nanomboka ny taona 1972 ka hatr@ taona 1992.
Ny taona 1984 ka hatramin’ny taona 1992 dia izy dia Filohan’ny Comité juridique de l’association allemande des villes et communes (Rechtsausschusses des deutschen Stadt- und Gemeindebundes).
Ny taona 1992 hatramin’ny 2003 izy no Directeur général du nouveau parc d’expositions de Munich. (Generaldirektor der Neuen Messe München).
Dr. Enßlin dia tena sakaizan’i Madagasikara tokoa :
Mpanolontsainan’ny Filohan’ny Repoblika izy ny taona 2003 ka hatramin’ny taona 2008.
Mpikambana mpanorina ny Groupe de travail d’Eching pour l’aide au developpement ( Echinger Arbeitskreis für Entwicklungshilfe ) , ary Filoha nitantana nandritry ny taona maro izy. Nanohana tetikasa maro momba ny fampidirana rano fisotro madio sy fanorenana sekoly tamin’ ny faritra lavitra teto Madagasikara izy sy ny fikambanana notarihiny.
Manana ny mariboninahitra Croix du mérite de la République Fédérale d’Allemagne izy (Verdienstkreuz der Bundesrepublik Deutschland ) ary koa Officier de l’Ordre National Malagasy.
Namela mananontena sy zanaka vavy roa kamboty ary zafikely ny Dr. Ennsilin.