Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

Afapo tamin’ny vokatra ireo mpikarakara ny fifampiarahabàna tratry ny Taona teo amin’ireo Malagasy any Düsseldorf sy ny manodidina. Izany dia natao ny 12 janoary tao amin’ny Herz-Jesu-Kloster, izay isaorana be dia be ireo Masera nampiantrano tamim-pitiavana.

Taorian’ny Lamesa tamin’ny teny malagasy izay notarihin’i Mompera Raymond Rambatoson SJ, dia nifampizaràna ny sakafo izay nentin’ny tsirairay, narahina koràna sy dihy, izay natrehin-dRamatoa Mpiandraikidraharaha Mpisolo toerana avy amin’ny Masoivoho, Rafaramalala Florence Isabelle, sy ny Konsily eo an-toerana Andriamatoa Lutz Pollman.

Maro ireo Tanora sy ireo efa manana traikefa no tonga, faly nifanakalo hevitra sy niara-nikoràna, samy nitondra sakafo, vatsy niraisana, izay ampy tsara nanana amby.

Taorian’izany ihany koa no nampitàna ny fanasàna ho an’ireo Malagasy sy ny namana rehetra amin’ny fankalazàna ny faha-25 taona naha-Pretra an’i Mompera Rambatoson, any Frankfurt – Sankt Georgen ny Alahady 03 may amin’ny 11ora15mn.

Mamerina hatrany ny firariantsoa, fahombiazana, fanambinana sy fifanomezan-tanana amin’izao Taona vaovao 2020 izao ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Masoivoho.