Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici
Contact: +49 152 373 023 14  – L’immatriculation consulaire des ressortissants Malagasy se fait uniquement en ligne ici

Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Alemana dia faly miarahaba ny Malagasy am-pielezana  manerana ny fari-pihadidiany rehetra noho izao faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izao.

Tontosa soa aman-tsara ny fankalazana izany izay natao teto amin’ny Masoivoho tamin’ny alahady 26 Jona 2022 lasa teo. 
Koràna sy hirahira ary dihy  isan-karazany no nandravaka ny lanona  nataon’ireo Malagasy am-pielezana mana-talenta.
Koa fisaorana lehibe no atolotra ho anareo rehetra izay tonga nanome voninahitra sy namaly ny antso tamin’iny andro iny ary koa ireo izay tsy afaka nanotrona noho ny antony maro samihafa, ka nahafahantsika mianakavy niara-nizara ny masaka sy hafaliana tao anaty firahalahina izay fototry ny soatoavina Malagasy.

Mirary soa amin’izay ho atao sy kasaina rehetra.

« Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny hambompom-pirenena »