Consular registration of Malagasy nationals is now online here
Consular registration of Malagasy nationals is now online here

Ireo no nokarakarain´ny Fiombonana Malagasy Miaro ny Soatoavina teto amin´ny
Masoivohon´i Madagasikara eto Falkensee ny zoma faha 12 jona 2026 lasa teo.
Ny fitiavana lalim-paka ny teny malagasy, izay endriky ny fitiavan-tanindrazana
rahateo no navohitra nandritra ny lanonana.
“Ataonay toy ny otrik´afon´ampombo ny fitiavana ny teny malagasy”, araka ny kabary
nantsaina terý am-piandohana, “ka tsy midonaka fa mivaivay; tsy toy ny afon-jozoro
ka mandalo mihelina ihany”. Nampatsiahivina tao koa fa maneho ny maha izy azy ny
firenena, ary maneho ny tena maha mahaleo tena azy ny tenim-pireneny.
Nandrisihan´ireo mpikambana noho izany ny hiarovana, ny hanajana sy hampitana
ny teny malagasy madio sy marina, na am-pitenenana na am-panoratana.
Manaraka izany dia isaoranay manokana etoana ny teny nentin-dRamatoa
Mpiandraiki-draharaha eto amin´ny Masoivoho, fa ankoatra ny kanto nandravaka azy
dia tao ireo teny feno fankaherezana nanohina ny fo. “Ndao hatao toy ny railovy
mamangy fodilahimena”, hoy izahay mantsy tao, ka ny mamangy mikalokalo, ny
vangiana misiotsioka.
Ireo mpiofana an-kabary navoaka, izay nifidy ny anaran´Andia AINGAMPANAHY
moa, niantsa kabary tsirairay avy ihany koa teny antsefantsefan´ny fotoana
niarahana, ka re sy hita fa niaraha-nanandratra tokoa ny kabary malagasy.
Ankoatra izay dia sady nandravaka ny lanonana no nanandratana ilay tenindrenintsika

hatrany ny antsa tononkalo mirakitra hevi-dalina, toy “Ny mianatra ka
tsara”, ny “Lamban´ny mpikabary” diam-penin´i Loloniala, na ny “Fitenin-drazako”
nosoratan´i DOX, nilazany mahakasika ny teny malagasy hoe: “Ny fahendrena izay
nananany sy ny toetra nitsanganany; ny ohabolana, hainteny sy ankamantatra ireny,
ny tantara sy angano velominao dia loharano anovozana tsy lany sy tsy hita
fahamamy”.
Nisy ny fiantsana hainteny nampandry sofina ny mpihaino. Tao ihany koa ny lalao andampihazo,

nahafeno tsiky sy hehy teny amin´ny endriky ny mpijery noho ny
fiangalian´ireo mpilalao an´ilay tantara nosoratan´Andriarimalala Abel manao hoe:
“Fo malagasy”, mirakitra tsilalaonteny maro mahafinaritra ary heviny lalim-paka.
Nitohy ho feno tsiky sy hehy ireo nanatrika ny lanonana raha nasongadin´ny
mpikambana ao amin´ny FI.MA.MI.SOA. ireo foko samihafa ao an-tanindrazana,
nanehoany fitafy, fiteny sy fanao mampiavaka azy avy, ary niantsana tononkalo
milanto milazalaza ny fananan´ireo foko ny hanitra ho azy avy, etsy andaniny, sy ny
maha iray fanahy ny Malagasy manontolo, etsy ankilany.
Nanafana ny lanonana tamin´endrika kanto sy meva toy ny tamin-taon-dasa indray
ny mpikabary iray avy amin´ny Andia TSARAJORO, andia nampita fanilo tamin´ny
andia zandriny navoaka tamin´ity taona ity.
Tsy hohadinoina ny hira sy kalokalo malagasy niredona sy nanafana ny lanonana.
Ka hafaliana sy haravoana tokoa raha hatao bango tokana ny niaraha-nianoka
tamin´iny andro miavaka iny.
Ho ela velona ny teny sy ny kabary malagasy, ho ela velona ny soatoavina malagasy!