Contact: +49 152 373 023 14  – Konsularische Registrierung madagassischer Staatsangehöriger ist jetzt online hier

74 taona lasa izay ny tolona nataon’ireo mahery fon’ny firenentsika, hahatsiarovantsika taranaka ny fitiavan-tanindrazana namoizana aina mihitsy nasehon’izy ireo.

Anisan’ny tsy niroa fo nanompo ny Tanindrazana sy nanokana ny heriny manontolo hanao izay hahasoa ny vahoaka Malagasy koa ny Amiraly Didier Ratsiraka, Minisitry ny Raharahambahiny (1972-1975) sy Filoha teo aloha (1975-1993 ; 1997-2002).

Lanonam-panomezam-boninahitra azy manokana no hatao eny amin’ny Lapam-panjakàna Iavoloha, izay tsiahivina fa izy no nanorina azy, mialohan’ny hametrahana azy eny amin’ny Fasan’ny Maherifon’ny Firenena eny Ambohitsaina, ny 29 martsa.