Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Alemana dia faly miarahaba ny Malagasy am-pielezana manerana ny fari-pihadidiany rehetra noho izao faha 62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izao.
Tontosa soa aman-tsara ny fankalazana izany izay natao teto amin’ny Masoivoho tamin’ny alahady 26 Jona 2022 lasa teo.
Koràna sy hirahira ary dihy isan-karazany no nandravaka ny lanona nataon’ireo Malagasy am-pielezana mana-talenta.
Koa fisaorana lehibe no atolotra ho anareo rehetra izay tonga nanome voninahitra sy namaly ny antso tamin’iny andro iny ary koa ireo izay tsy afaka nanotrona noho ny antony maro samihafa, ka nahafahantsika mianakavy niara-nizara ny masaka sy hafaliana tao anaty firahalahina izay fototry ny soatoavina Malagasy.
Mirary soa amin’izay ho atao sy kasaina rehetra.
« Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny hambompom-pirenena »